Io tsy fanajana ny lalàna napetraka io ihany no anisan’ny mitera-doza, saingy tsy ao an-tsain’ireo maty eritreritra rehetra izany fa ny « andao andao » ihany.
Ny sabotsy hariva teo, tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany, taxi-brousse telo be izao no tra-tehaky ny pôlisim-pirenena teny amin’iny faritra Tanjombato iny. Efa nafatotra ny entana, efa nivonon-kandeha hihazo an’i Fianarantsoa iny ny roa ary hihazo an’Ihosy kosa ny iray. Mpandeha 38 no tao anatin’izy ireo ; izay voatery nampidinina avokoa sy nampodiana avokoa miaraka amin’ny entany. Efa nambara moa fa tsy azo atao velively ny mivoaka ny faritra Analamanga ary tsy misy taxi-brousse mahazo mandeha aloha tamin’io fotoana io, kanefa dia mbola minia mandeha ihany ry mafy loha isany, ary ireo mpandeha ihany koa dia zarany aza. Ankoatr’ity teny Tanjombato ity dia efa nisy iray ihany koa tra-tehaky ny pôlisy tetsy Ambohimanarina ny omalin’io andro io indray. Taxi-brousse saika hitondra olona ho any amin’iny faritra Marovoay iny indray ity tra-tehaka ity. « Voatery nogiazana ( Fourrière) avokoa moa ireo taxi-brousse ireo satria dia miharihary ny tsy fanarahan-dalàna nataon’izy ireo » hoy ny fanazavana azo.
Samy miaina anaty ady sarotra tokoa ny rehetra amin’izao, na amin’ny sehatr’asa inona na amin’ny sehatr’asa inona, fa tsy hoe ireo mpitatitra irery. Samy te hahita ny havany any amin’ny faritra avokoa, ihany koa ny olon-drehetra, saingy misy ny drafitra sy fepetra napetraky ny Fanjakana ny amin’ny tsy tokony hivezivezena, dia manaraka izany aloha. Ny olana mantsy dia mbola misy ireo an-kavitsiana mafy loha kanefa hitondran’ny besinimaro takaitra avy eo.
m.L