- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina – Tanjombato : Olona efatra tatra nivarotra rongony

Ambohimanarina – Tanjombato : Olona efatra tatra nivarotra rongony

Mitohy hatrany ny asa ataon’ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina etsy Anosy mikasika ny fidorohana  zava-mahadomelina. Maro ny faritra nahatratrarana izany, ka tamin’ny alakamisy faha-14 aogositra 2014 dia olona telo mianadahy no voasambotra teo am-pivarotana rongony, ka vehivavy iray antsoina hoe Tiavina, 33 taona, izay nahatratrarana rongony 46 fonosana, teny amin’ny faritra Tongarivo Tanjombato, tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro. Ny faharoa kosa dia lehilahy antsoina hoe Mamisoa, 22 taona, nahatratrarana rongony rarany 10 kg, teny amin’ny faritra Anosivavaka Ambohimanarina iny. Milaza izy fa sady mifoka no mivarotra. Ny fahatelo dia antsoina hoe Roger, 37 taona, nahatratrarana rongony 42 fonosana sy rarany 200g, teny amin’ny faritra Andraisora iny. Nilaza izy fa avy any Atsimo ireo rongoy amidiny ka 200Ar no  hamarotany  fonosana iray. Natolotra ny Fampanoavana tamin’ny sabotsy 16 aogositra teo ry zareo ka naiditra am-ponja vonjimaika. Ankoatra ireo, nisy ihany koa ny voasambotra tany amin’ny toerana hafa. Samy tratra tamin’ny fivarotana rongony avokoa izy ireo.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser