- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Trano iray kila firehitra, niara-maty ny reniny sy ny zanany

Ambohimanarina : Trano iray kila firehitra, niara-maty ny reniny sy ny zanany

Niredareda ny afo ny alarobia alina teo , teny Ambodihady Ambohimanarina.

Hain-trano mahatsiravina no niseho ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo, teny amin’ny fokontany Ambodihady Ambohimarina. Trano iray lehibe, misy rihana no hotohoton’ny afo. Tavela tao anatin’izany ny olona roa, renim-pianakaviana iray 65 taona sy tovolahy 30 taona, namoy ny ainy noho ny fahamaizana. Olona dimy no tato anatin’ity trano ity raha ny fantatra. Avotra soa aman-trano kosa ny vehivavy roa sy lehilahy iray raha izy mianaka ireto no taraiky tao anatiny tao araka ny voalazan-dRtoa Ramelina Soanoro, lefitry ny sefo fokontany teny an-toerana. Raha ny fantatra hatrany dia afon-dabozia, tsy maty tao ambany rihana, ka nandray ny lamba firakotra no nahatonga ny loza. « Tao amin’ny efitra nisy ilay tovolahy no niantomboka ny afo. Ny setroka nidonaka be tany ambony no nanaitra ilay reniny, ka avy hatrany dia nanaitra anay » hoy  Rtoa Lila, vinanton’ilay ramatoa namoy ny ainy, mbola nihetsi-po tanteraka tamin’ny loza nihatra tamin’izy ireo. Raha ny fitantaran’ireo olona tao amin’ity trano ity ihany dia efa samy nivoaka avokoa izy ireo. Nobaikon’ny fon-dreny kosa Rtoa Emilienne, niezaka namonjy an-janany lahy, fantatry ny olona amin’ny anarana hoe Tita, tao amin’ilay efitra kely efa ravan’ny afo. Voalaza teny an-toerana ihany koa fa ankevitry ny mamomamo ity tovolahy ity ary natory tsy nahatsiaro tena tao amin’ilay efitra. « Niezaka ny hibata an-janany ity renim-pianakaviana, kanefa noho ny havesany sy ny afo nandoro etsy an-daniny, dia tavela tao izy mianaka. Tsy nisy afaka natao intsony » araka ny filazan’ireo mponina manodidina hatrany. Nifandrimbonan’ireo fokonolona nofehezina ihany ny afo, mandrapaha-tongan’ny mpamonjy voina, tany ho any tamin’ny 1ora sy sasany maraina tany ho any. Tsy maty tanteraka kosa anefa izany raha tsy tany amin’ny 2ora maraina tany. Tonga teny an-toerana avy hatrany kosa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny teny an-toerana tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza. Omaly antoandro kosa ny tao amin’ny Bmh no tonga nitsirika ny razana teny an-toerana ary nomena ny fianakaviana. Omaly ihany no natao ny fandevenana azy mianaka ireto tany Ambohimitsinjo.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser