- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Trano may, entana maro potiky ny afo

Ambohimanarina : Trano may, entana maro potiky ny afo

Nirehitra ny trano iray teny Ambohimiadana Avatra, eny Ambohimanarina, omaly tokony ho tany amin’ny 6 ora latsaka tany ho any. Araka ny loharanom-baovo, tsy fetezana teo amin’ny jiro no nahatonga io firehetana io ( court circuit).  Raha vao nisy ny fahamaizana dia niantso ny avy ao amin’ny mpomono afo Tsaralalàna ny olona. Teny an-toerana koa ny mpitandro filaminana eny an-toerana hisoroka izay mety ho fihoaram-pefy aton’ny sasany manolaona ny voina toy izao. Tsy naharitra ela fa teo amin’ny 30 minitra teo dia voafehy ny afo. Na izany aza anefa, nisy ny entana may tao amin’ilay trano, fitafiana maro sy zavatra hafa. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na ny olona naratra, hoy hatrany ny voavao voaray. Ankoatra ny mpamono afo sy ny mpitandro filaminana, tonga teny an-toerana koa ny avy ao amin’ny Jirama nifehy ny tsy tokony hitaran’ny afo amin’ny manodidina.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici