- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Tsy afa-bela tamin’ny pôlisy ry Lavakely sy ny namany

Ambohimanarina : Tsy afa-bela tamin’ny pôlisy ry Lavakely sy ny namany

Ry Lavakely sy ny ekipany.

Efa ikoizana teny amin’iny faritra Ambohimanarina sy ny manodidina iny ry zalahy ireto amin’ny asa ratsy sy ny fanendahana olona, indrindra raha vao manomboka miha-hariva fotsiny ny andro. Ny talata lasa teo, tsy naha-Lavakely an-dry zalahy intsony ny pôlisy mpanao fisafoana. Tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny. Ho an’ireo mponina sy ny mpandalo eny Ambohimanarina eny dia samy miara-mahafantatra fa anisan’ny faritra mena amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana, indrindra moa fa hoe miditra elakelan-trano, somary mangingina na maizimaizina, tsy dia misy mpandalo. Fantatry ny eo anivon’ny pôlisy misahana iny faritra iny rahateo ihany koa izany. Antony hirotsahan’izy ireo hatrany anaty lalan-kely sy elakelan-trano rehetra any, amin’ny fanaovana fisafoana. Tamin’io andron’ny talata io dia mbola mazava tsara ny andro, tokony ho tamin’ny dimy ora hariva tany ho any, saingy efa somary nangina ihany ireo lalan-kely. Ny ankabeazan’ny olona mantsy dia efa lasa namonjy tany amin’ireo toerana natokana hijerena ny fampitana mivantana ny lalaon’ny Barea. Nanararaotra izany ireto mpanendaka, fantatra amin’ny petak’anarana hoe ry Lavakely sy ny ekipany ireto, namely ireo olona sasantsany hamonjy fodiana, teo Antanety. Efa nivonona ny amin’ny mety ho fisian’ireo mpanararaotra ihany koa anefa ireo pôlisy mpanao fisafoana andro sy alina. « Sendra nanao fisafoana tamin’iny toerana iny no nahatsikaritra tovolahy roa teo am-panendahana olona iray ka niroso tamin’ny fisamborana avy hatrany. Tsy lasa lavitra izy ireo dia tratehaky ny Polisy » hoy ny fampitam-baovaon’ny pôlisy. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny kaomisaria moa ry zalahy ireto. Notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana. Efa ela, hoy ny fampitam-baovao no nikarohana azy ireo, izay efa malaza ratsy eny amin’iny faritra iny. Izy ireo rahateo niaiky ny heloka vitan’izy ireo. Omaly no fantatra fa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana, taorian’ny fakàna am-bavany azy ireo ary nadoboka am-ponja vonjimaika, miandry ny fotoam-pitsaràna.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici