- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Vehivavy lehibe naratra mafy nokaikerin’ny alikany

Ambohimanarina : Vehivavy lehibe naratra mafy nokaikerin’ny alikany

Ramatoa lehibe iray, manodidina ny 90 taona eo ho eo no naratra mafy rehefa nivadihan’ny alikany sy nokaikeriny. Zava-doza tokoa no nitranga tao Betafo, Ambohimanarina, ny alarobia lasa teo. Tsy fantatra mazava izay zava-niseho tao an-tokontany fa ilay alika efa niantsampy teny amin’ity vehivavy lehibe, ary nandramatra azy no hitan’ny rehetra. Irony karazan’alika vahiny, voabaiko ho tsy hamela mahazo irony ity biby ity izay. Ary teny amin’iny tarehiny avy hatrany no norambasan’ilay biby tamin’izay fotoana izay. Araka ny fitantaran’ireo nahita dia rapa tanteraka ny endrik’ity ramatoa ity. Ireo olona tao an-trano rehefa nahare ny antsoantson’ny olona no nivoaka haingana namonjy ilay ramatoa sy nanala ilay alika. Ireo olona nahita moa, na dia teo aza ilay finiavana hamonjy dia tsy sahy noho ity biby tsy misomonga ity hatrany. Efa nentina teny amin’ny tobim-pahasalamana ity ramatoa ity, araka ny fanazavàna azo tamin’ny pôlisy teny an-toerana, ary efa nahazo fitsaboana. Efa tsy misy atahorana ihany koa ny ainy. Raha ny mikasika ity biby namoa-doza ity kosa, izay tsy fantatra hatreto tratry ny aretina na inona, dia voalaza sy toa hoe saika hovonoina, saingy tsy navelan’ny tompony. Ho an’ireo mpiompy itony karazan’alika itony dia nilaza mazava fa misy antony ao matoa nivadika amin’ny tompony toa izao ilay biby. Izay zavatra izay no mila tadiaviana fa rehefa tsy misy azo atao intsony dia tsy maintsy hirosoana ihany ny famonoana azy. Lasa toy ny hoe ilay biby tokony hiaro indray no lasa hamono.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici