Potika ny tarehin’ilay zaza ary tsy maintsy hodidina izy
Tamin’ny faha-30 novambra taona 2013 no niseho ny zavatra nampalahelo teny Ambohimanarina. Ankizy kely roa, lahy sy vavy, no nisy nanondraka asidra. Ny iray teo amin’ny tarehiny ary ny faharoa teo amin’ny tongony. Amin’izao fotoana izao, lehilahy antsoina ho G. no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny “brigade criminelle” Anosy. Voarohirohy amin’ity fanondrahana asidra ity io lehilahy 27 taona io.
Mpivarotra anana eo amin’ny tsenan’Ambohimanarina ny reniben’ireto ankizy ireto, Feno sy Florinah, samy 3 taona. Nilalao tsy lavitra ny fivarotan’ilay renibeny izy mianadahy tamin’io andro voalaza etsy ambony io. Tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro dia nihoraka nitomany nanatona ny renibeny i Florinah, fa nisy nanondraka tamin’ny rano mangotraka ny tongony. I Feno kosa avy dia nitomany namonjy nody nankany an-tranony ka ny olona no niantso ny Renibeny. May tanteraka ny tarehiny sy ny lohany. Avy hatrany dia nentiny namonjy ny HJRA Ampefiloha izy ary mbola eny hatramin’izao , tsy maintsy handalo fandidiana. Fantatra tamin’ny fizahana fa tsy rano mangotraka no natondraka tamin’ireto zaza ireto fa asidra. Floridah moa tsy voa mafy fa ny tongony no nisy may. Rehefa nanontaniana izy ny amin’izay olona nanondraka asidra azy ireo dia tsy nety niteny mihitsy. Dimy andro taorian’io fotoana nitrangan’ny loza io dia nanaraka an-drainy tany amin’ny hotely BAR teo akaikin’ny toeram-ponenany eo amin’ny tsenaben’Ambohimanarina teo i Florinah .Vao nahatazana lehilahy iray izay taizan’ny tompon’ny hotely izy, dia nisintontsintona an-drainy hiverina sao hono doroin’io olona io eo indray sady natondrotondrony an-drainy ity farany. Tamin’ny fanadihadiana natao azy, dia io olona io hatrany no notondroiny. Nandray ny andraikiny moa ny polisy ary nisambotra an’ilay olona. Nandà hatrany izy nandritra ny fanadihadiana natao azy. Omaly no natolotra ny fitsarana ity lehilahy ity.
nangonin’I r.s.