Hatairana ny an’ny olona teny amin’ny fokontany Ambohimanarivo Antsirabe II sy ny manodidina, vao maraina be tokony ho tamin’ny 1 ora ny Alarorbia lasa teo , indreo ny EmmoReg efa niatrana am-bavabasy teo amoron’ilay tany nalain’ny kaominina hametrahana fotodrafitrasa haorin’ny firenena Marokana. Raha ny fantatra dia efa hatry ny ela mihitsy no nampisy fifandirana ireto tany mitondra ny anarana Roubaisienne sy Ausatralia ireto. Izay fitondrana nifandimby teto, hoy ireo fokonolona, dia saika efa nikitikita ireo tany ireo avokoa saingy nandresy hatrany izahay ary efa nahazoana “reconnaissance” 24 taona lasa izay. Raha ny fantatra hatrany, 26 taona nanajariana azy io ny fokonolona teo amin’io toerana io. Ankehitriny anefa efa nivoaka ny didy fa tsy maintsy miala teo amin’ny tany ampiasain’ny kaominina ny fokonolona voakasika. Ny Talata 25 Oktobra 2016 teo dia namoaka didim-pitondrana mitondra ny laharana 358/16/CU/B ny kaominina mandidy ny hialan’ny olona eo amin’ny tany “ La Roubaisienne” TN 1856-P, tsy nanaiky anefa ny mponina fa nanohitra izany ary teo niantombohan’ny gidragidra. Ny Alarobia lasa teo, namefy ny tany ny kaominina niaraka tamin’ny vadintany sy ny Emmoreg efa ho roa kamiao, niampy ny polisy monisipaly. Tsy nisy tompon’andraikitra avy amin’ny kaominina kosa tazana teny an-toerana. Niezaka nanakana ny fokonolona saingy tsy nahatohitra ireo miaramilaben’ny fanjakana. Raikitra ny sakoroka sy ny fifanosehana, nanano sarotra ihany ny namefana ny tany saingy tanteraka ihany izany. Be noho ny vitsy rahateo ny fokonolona.
Raha ny fanazavan’ny vadintany kosa dia tsy miala maina akory ireo voaroaka tamin’ny tany fa akisaka amin’ny tany mifanila aminy ihany, saingy ireo tompon’ny tany hemetrahana azy ireo io tsy manaiky io. Fantatra ihany koa fa ny kaominina no hikarakara ny hanomezana “titre” ho an’ireo fokonolona eo amin’io toerana io. Nanizingizana kosa etsy ankilany ireo fokonolona fa tsy manaiky izany ary tsy hiala na inona na inona hitranga. Maro ny resaka mandeha amin’ity raharaha tany eny Ambohimanarivo ity. Fantatra aza fa noho ny tsy faneken’ny filohan’ny faritra Vakinankaratra teo aloha Atoa Andrianjanaka Mandrindra Albert ny hanomezana io tany io ho an’ny Silamo no antony nanesorana sy nialany tsy ho filohan’ny faritra intsony.
Andry N.