Tsy nisalasala ireo jiolahy nanindrona antsy sy nitifitra azy mianaka, rehefa namaly ireto farany fa tsy nanaiky mora ny hakana ny fananany. Roa no maty, mpianaka izy ireo, ilay raim-pianakaviana tokony ho 60 taona raha 30 taona eo kosa ilay zanany lahy. Maty voatsindrona antsy ilay rangahy, maty voatifitra ny basy kosa ilay zanany. Araka ny fanazavana, dia niezaka ny namaly izy mianaka ireo saingy be noho ny vitsy no basy sy lefona no teny an-tànan’ny jiolahy. Avy hatrany dia namono nahafaty ireo jiolahy raha nahita ny fihetsik’izy mianaka ireto. Noraofiny avokoa izay entana azo noraofina ankoatra ny vola lasan’ireo jiolahy rehefah itany fa tsy nisy aina intsony izy mianaka. Voalaza fa tokantrano roa no nasesin’ireo jiolahy notafihana tamin’io fotoana io. Tao amin’ny tanana antsoina hoe Ambohimikambana kaominina Ambohimanarivo no nisehoan’ny fanafihana tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Voalaza fa am-polony maro ireo jiolahy no nanao ny fanafihana ary tsy nisy nisaron-tava izy ireo.
Andry N.