dimanche, avril 20, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimandroso : Olona roa maty voadonan’ny fiara

Ambohimandroso : Olona roa maty voadonan’ny fiara

Nisehoana lozam-pifamoivoizana teny amin’ny toerana antsoina hoe Ihazolava tsy lavitra ny tetezan’Ambohimanadroso ny asabotsy lasa teo. Olona roa voalaza fa nitondra môtô no voafaokan’ny fiara ary nipitika teny amin’ny sisin-dàlana. Nitangorona avy hatrany ny olona.Toa tsy nisy azo natao ho an’ ireo voadona  intsony anefa fa dia nitazam-potsiny ny rehetra. Làlana mahitsy anisan’ny fandehan’ny mpitondra fiara mafy iny làlam-pirenena faha-7 iny, indrindra raha vao tafavoaka an’Ambatolampy. Tsy dia matetika anefa ny lozam-pifamoivoizana,satria samy mitandrina hatrany ny mpampiasa ny làlana. Rehefa miseho anefa ny patsa iray tsy omby vava dia mihatra aman’aina mihitsy izany. Tamin’ity indray mandeha ity, tsy fantatra marina izay nahatonga ny loza. Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser