Habibiana tsy roa aman-tany. Notsindromina antsy indroa teo amin’ny tendany (havia sy havanana) ary notontàna tamin’ny vato ny lohany. Izay no nanjo an’i Tolojanahary Sarah Claudia. Ny zanany lahikely izay telo taona sy tapany indray dia nokendaina tamin’ny lamba “cache-nez” mandra-pialàn’ny ainy. Izany no nanjo ny mpianaka iray tao Ambohimandroso. Hita faty izy ireo ny marainan’ny alahady ary azo heverina fa ny alin’ny asabotsy no nanatontosana ilay heloka bevava. “Vao maraina dia hitako nivaha amin’ny ampahany ny varavarana ary noheverina fa nifoha maraina be izy mianaka. Tampoka teo anefa nihazakazaka ny zanako iray hafa ary nilaza fa maty ao i Koly sy ny zanany. Nikorontana ambony ambany tao amin’ny trano misy azy ireo ary nisy vola very, vola izay matin’i Koly nandritry ny tsenan’Asabotsy tao Ambohimandroso raha ny fihevitro azy”, raha araka ny fanazavan-dramatoa Viviane izay reny sady reniben’ireo maty. Raha araka ny fanamarihan’ny zandary miandraikitra ny fanadihadiana dia tanàna misy fefy ilay nitrangan’ny heloka bevava. Maro ny mipetraka ao amin’ilay tokontany iraisana ary saika mpihavana avokoa. Nilaza ho tsy teo ny raim-pianakaviana fa nisy dia nalehany tamin’ny fotoana izay heverina ho nitrangan’ny famonoana. Raha ny filazan-dramatoa Viviane dia nosamborina io farany ary efa tazomin’ny zandary mba hanaovana fanadihadiana. Etsy andanin’izay anefa dia manahy koa io reny sy reniben’ny maty io fa misy mpanampy lahy izay nifamaly tamin’I Koly talohan’io tranga io ary mety misy hifandraisany amin’izany ilay fahafatesana. Ny zandary dia nilaza fa mbola miandry ny fianakaviana hahavita ny adidy farany amin’ny maty aloha vao tena hiroboka tanteraka amin’ny fanadihadiana lalina momba ity raharaha ity. Momba ny antsy namonoana indray dia fitaovana tsara pirina tao an-trano ihany io nampiasaina io. Nalaina tao amin’ny fitoerany ary notsatohana tamin’izany ilay renim-pianakaviana. Midika izany fa mety ho olona mahafantatra tsara ity tokantrano ity ihany no nahavanon-doza ary mety ho fanodinana saina fotsiny ny fanakorontanana ilay trano mba hiheverena fa nisy nandroba. Na izany aza nisy ny vola very izay farafahakeliny dia mitentina 300.000 ariary, vola izay nomen’ny renin’ny maty iray andro mialoha io tranga io. Betsaka ny manaraka ity raharaha ity, indrindra raha vao nisy nizara tamin’ny tambajotra sosialy izany. Ontsa loatra ny olona raha nahita azy mianaka indray maty ary mangataka mba hisy valiny mazava ny fanadihadiana.
D.R