- Publicité -
lundi, septembre 22, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimandroso : Zaza nandeha bisikileta maty voahitsaky ny kamiao

Ambohimandroso : Zaza nandeha bisikileta maty voahitsaky ny kamiao

Namono olona indray ny lalam-pirenena fahafito (RN7). Teo Ambohimandroso ny asabotsy lasa teo, nandriakà ny rà teo amin’ny araben’ny fokontany antsoina hoe Andalamahitsy (PK 88+700). Ny antony dia noho ny fandoman’ny kamiao iray ilay bisikileta izay nanao taingin-droa. Zaza sy olon-dehibe no nitaingina io kodiaran-droa io, 11 taona sy 31 taona. Rehefa voadona ny bisikileta, ilay zaza voahitsaky ny kodiarana aorian’ny fiara ary ilay nitondra azy kosa nipitika teny amin’ny sisin-dàlana ary mba afa-doza io farany. Maty tsy tsa-drano ilay zazavavikely. Avy any Ambatolampy ilay kamiao an’ny orinasa iray ary saika hihazo an’Antsirabe no io nanao lozam-pifamoivoizana io. Notazomina vonjimaika eo anivon’ny zandarin’Ambimadroso mba hanokafana fanadihadiana ny mpamily ilay kamiao. Misesy ny lozam-pifamoivoizana eny amin’ny RN7 izay mifanandrify amin’ny fivoahana na fidirana an’an-drenivohitra ka hatrany Antsirabe. Mety ho antony ity fanamboaran-dàlana izay miteraka vovoka be sy nanapotehina tanteraka ny lara. Adiny enina sasany ankehitriny ny mankany Antsirabe raha làlana tokony ho adiny telo. Vovoka tsy ifankahitàna intsony no koa malama ny làlana izay nopotehina ka matetika tsy voajanon’ny isatra ny fiara raha mandeha mafimafy. Mitady ho lasa loza mitatao ny fandehanana eo amin’ity làlam-pirenena ity ankehitriny, indrindra raha lava loatra ny fanamboarana. Betsaka izay efa namoy ny ainy sy nitondra takaitra teo izay tao anatin’ny volana vitsivitsy. Misy indray ireo mpampanofa fiara no mandà ankehitriny ny handehanan’ny fiara amin’ny RN7 noho izany rehetra izany. Tst mahaleo ny sarany intsony ny vidiny no koa mety mamono olona ny fiara.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici