- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanga Antsirabe : Tokantrano 8 nasesin’ny jiolahy notafihana

Ambohimanga Antsirabe : Tokantrano 8 nasesin’ny jiolahy notafihana

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny fokontany Ambohimanga, tanana somary mihataka ny renivohitra, fa mbola ao anatin’ny kaominina Antsirabe voalohany.  Jiolahy tsy latsaky ny folo  mirongo fiadiana no nanafika ny tanana, ny alin’ny Alarobia tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Basy sy antsy  no nentin’izy ireo nanafika, tokantrano valo be izao no nasesiny tsirairay norobaina ka ny efatra tamin’izy ireo dia mpivarotra avokoa.  Volazan’ny loharanom-baovao avy amin’ny fokontany, fa nanapoaka basy in-telo ry zalahy nandritra ny fanafihana izay naharitra ora iray teo ho eo.  Ireo tranom-barotra no nasesiny mialoha, ny vola no notakiany vantany vao tafiditra ny trano ry  zalahy miampy fandrahonana. Ankoatr’izay noraofiny avokoa  ny entam-barotra zaka bataina rehetra. Aorian’ny tokantrano iray voaroba, mitondra olona iray ireo jiolahy asainy manondro ireo olona manan-katao eo amin’ny tanàna ka rahonany hotapahin-doha ity farany raha vao mandà. Fa isan’ireo tena nokarohin’ireo jiolahy fatratra ny mpitam-bolan’ny fiangonana iray tao Ambohimanga tao. Nisy tamin’ny manodidina no niantso vonjy sy nitsoka kiririoka, saingy io tokantrano io indray no notafihan’ireo jolahy avy teo.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici