- Publicité -
vendredi, novembre 28, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimanga : Fiara roa nisy namaky teo an-tokotany

Ambohimanga : Fiara roa nisy namaky teo an-tokotany

Lasa ny « batterie », lasa koa ny « autoradio ». Nitrangan’ny halatra indray, ny alin’ny alakamisy teo, tao amin’ny tanàn’Ambohimanga. Fiara roa nipetraka tsara teo an-tokotany no novakian’ireo jiolahy, araka ny fanazavan’ny tompon-trano. Novakian’ireo mpangalatra ny varavarana sy ny fitaratra hahafahana miditra anaty fiara, talohan’ny nitondran’izy ireo tamin-kerisetra ny kojakoja sarobidy. Lasa avokoa ny « batterie »-n’ireo fiara roa tratra. Toraka izany koa ny « autoradio ». Samy natory tao an-trano avokoa ny olona, saingy tsy nisy naheno na inona na inona. Hatramin’ny alika mpiandry tanàna aza dia tsy nivovo. Azo heverina araka izany ny fisian’ny fampiasàna fonoka avy amin’ireo jiolahy. Tsy nisy fiara azo nentina intsony ny tompon-trano raha nifoha maraina ka handeha hiasa toy ny mahazatra. Voatery niantso ny havana mba hitondra aty an-drenivohitra maika aloha mandra-panoloana ny vatoaratra sy ny fitaratry ny fiara. Manomboka miverina mirongatra indray ny fidirana anaty tanànan’olona tato ho ato ary mila manamafy ny hidim-bavahady na trano ny tsirairay. Ho an’ny ady amin’ny fonoka indray dia tsy misy afa-tsy ny fampiasàna ireny fanairana na « alarme » ireny no mahomby indrindra. Na ny alika aza mantsy dia resin-tory rehefa tratran’ny fonoka ary dia manao izay danin’ny kibony ireo olon-dratsy.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici