- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanga : Halatra Sprinter, olona efatra voasambotra

Ambohimanga : Halatra Sprinter, olona efatra voasambotra

Nisesisesy mihitsy tato ho ato izay ny halatra fiara, indrindra fa ny « Sprinter ». Taxi-be iray, manao zotra ho an’iny faritra Ambohimanga iny no nisy nangalatra ny 24 febroary lasa teo. Taorian’ny fanadihadiana sy fikarohana nataon’ireo zandary avy ao Ambohimangakely anefa, dia hita ihany ity fiara ity ny faran’ny herinandro  teo. Efa niova loko, niova laharana, ary nahazo « licence » zotra nasionaly ! Olona efatra no voarohirohy tamin’ity resaka halatra fiara ity, ireo mpangalatra niaraka tamin’ireo mpividy halatra, izay samy voasambotra avokoa. Araka ny fitantaran’ilay mpamilin’ilay fiara, nisy olona nilaza hanofa io Sprinter io. Taorian’ny adivarotra sy ny fifanarahana, dia roso ny dia. Talohan’izay anefa dia nividy zavatra sy nirevirevy tao amina tranombarotra iray teny Ambodivona izy ireo, niaraka tamin’ilay mpamily. Nanomboka teo no somary fanimpanina ity farany ary tsy nahatsiaro izay ambonin’ny tany intsony. « Teny Iavoloha sisa no farany tsaroako dia izay », hoy ingahy io. Andro maromaro taty aoriana anefa, tsinjon’ny tompon’ny fiara tao anaty fitohanana ilay fiara, efa niova loko mazava ho azy. Narahina ary dia nifarana teny amina garazy tamin’iny faritra Soamanandrariny iny. Nampandrenesina avy hatrany ny zandary teny an-toerana. Rehefa natao ny fanamarihana rehetra dia fantatra tokoa fa ilay Sprinter very ity fiara ity. Nahagaga ihany anefa fa nanana taratasy ara-dalàna toy ny « carte grise » sy ny tariny ilay olona nilaza ho nividy azy. Avy aiza ary ? Tsy tratra teny an-toerana kosa ilay olona nivarotra ity fiara ity. Niroso tamin’ny famandrihana ny zandary ka voasambotra omaly ity lehilahy ity. Olona efatra araka izany no voarohirohy tamin’ity resaka ity, ary efa natolotra ny fitsarana. Mbola misy kosa ny iray karohina araka ny fanazavana nomen’ny zandary. Ny mampametra-panontaniana ny maro amin’ity resaka halatra fiara ity, dia mazàna ireo mpangalatra sy mpividy halatra aty ambany foana no sarona. Ahoana sy ahoana araka izany ny amin’ireo jiolahy ambony latabatra ? Tsy ho ireo mpangalatra kely mihitsy akory no hahavita hamoaka taratasy ara-dalàna mba ho famotsiana ireo fiara halatra fa tsy maintsy tomponandraikitra mpiray tsikombakomba …

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser