- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanga Rova : Lehilahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka

Ambohimanga Rova : Lehilahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka

Disadisam-piarahamonina nitarika hatrany amin’ny fahafatesana. Lehilahy iray tokoa no matin’ny fitsaram-bahoaka ny alatsinainy teo tany amin’iny kaominina Ambohimanga Rova iny. Rangahy manodidina ny 65 taona izy io ary araka ny fantatra dia efa hananan’ny fiaraha-monina lonilony noho ny toetra tsy zaka asehony. Tamin’io fotoana io dia tratry ny fokonolona teo am-panenjehana ankizivavy avy natsaka ny lehilahy. Tsy fantatra hatreto hoe saika ataony inona io ankizivavy nenjehiny io ny olona izay nahita no avy hatrany dia nandray izany ho zava-dratsy ka rafitra nanenjika azy ihany koa. Tsy ela dia voasambotra ilay rangahy ary rafitra teo ny fidarohana. Ny sasany tamin’ireo fokonolona izay angamba efa niandry kendry tohana fotsiny, hanamparana ny hatezerany tamin’ity rangahy ity no avy hatrany dia nitoraka tapa-biriky azy. Nanaraka tamin’izay ny hafa. Nirara-kompana ny tora-bato sy ny toraka biriky nahazo ilay rangahy. Tsy namelan’ireo fokonolona raha tsy nahetsika intsony sy nitolefika ity rangahy lehibe, efa naratra mafy. Nisy tamin’ireo nahita no nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana teny an-toerana saingy ny fotoana nahatongavan’ireo farany teny an-toerana, dia efa namoy ny ainy ilay lehilahy. Araka ny angom-baovao azo dia toa hoe mpila sotasota amin’ny fiarahamonina misy azy rangahy io ary efa maro ireo olona mitaraina noho izany toetrany izany. Tsy vitan’izany ihany angaha, araka ny fantatra hatrany fa dia vitany mihitsy ny mandrahona olona. Antony maromaro izay nampitraotra tanteraka ireo fokonolona naneho ny hatezerany tamin’ity izy tratra nanenjika mpantsaka ity. Na izany na tsy izany aza anefa dia azo sokajiana ho vono olona tsotr’izao ary niniana natao ny zava-nitranga toy izao. Tsy maintsy nanokatra ny fanadihadiana mahakasika ity fitsaram-bahoaka ity araka izany ireo tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici