- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohimanga Rova : Lehilahy tra-tehaka nanolana zazalahy sembana

Ambohimanga Rova : Lehilahy tra-tehaka nanolana zazalahy sembana

Efa tsy mifadi-trovana tanteraka ! Omaly, lehilahy iray 36 taona no voatery nosamborin’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimanga Rova noho ny resaka fampiharana herisetra ara-nofo tamina zaza, zazalahy izay manana fahasembanana ihany koa ambonin’izay. Nitranga tao amin’ny fokontany Iavoambony izany, ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, nisy fiandrasam-paty tao amin’io tanana io tamin’io alina io. Nandritra izay fotoana izay no nohararaotin-dranamana natonina sy nampiresahana ity zazalahy kely. Ary tsy tapitapitr’izay dia nentiny niaraka taminy. Tsy nijanona raha tsy tany an-tranon’ilay rangahy izy ireo ary tany no nampiharan’ingahy ny filan-dratsiny. Noheverin’ity farany fa tsy nisy nahita ny zava-dratsy nataony, kanjo tamin’io fotoana nitondrany ilay zaza io mihitsy no nisy nahatsikaritra izy sy ny fihetsika hafahafany. Nampandre ireo tompon’andraikitry ny filaminana avy hatrany ity farany. Nisy ny fandraisana andraikitra avy hatrany ary io voasambotra io ingahy mpanolana ankizilahy. Notanana natao andrimaso avy hatrany ity olona tsy vanona ity. Mbola ao anatin’ny famotorana tanteraka moa ny zandary hatreto ary heverina fa aorian’izay no hatolotra eny anivon’ny Fampanoavana ilay mpanolana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici