Halatra sy vono olona mahatsiravina no niseho teny Anosiarivo, Ambohimanga, ny alin’ny alahady lasa teo. Fianakaviana kely iray no notafihana telo lahy mirongo basy tao an-tranony. Vola roa alina monja no namonoan’ireo jiolahy tamin’ny fomba feno habibiana ity raim-pianakaviana.
Manondro amin’ny folo ora alina latsaka kely teo ny famataran’ora. Efa renoky ny torimaso ny ankizy, raha toa kosa ka avy nihaino ny tantara an’onjam-peo, fihenon’izy ireo mahazatra ry Ranaivoson José mianakavy. Iny izy ireo handeha hamonjy fandriana, haka torimaso sambatra, hiatrehana indray ny ampitso iny no naheno zavatra nikitrina tamin’ny varavaran-kely. Nandeha nijery ny zava-misy ramatoa, ary tamin’izay fotoana izay no nampitotongana ny fiainan’ireo fianakaviana ireto. Telo lahy misaron-tava, no indro fa efa nanambana basy ity farany, nanao amboletra niditra tao an-tokantranon’izy ireo, araka ny fitantaran’ny solontenan’ny fianakaviana iray taminay. Vola avy hatrany, toy ny fanaon’ireo olon-dratsy, no nangatahany. Taitra noho ny fisiana trerona sy tabataba tany alatrano rangahy vadiny ka nijery ny zava-misy. Hataraina tsy misy toa izany ny azy raha nahitana an’ity vadiny eo am-bava-basy, ka avy hatrany dia nanohitra tamin’ny heriny iray manontolo ireto olon-dratsy. Indrisy anefa, izy irery ihany manoloana olona telo, miravaka fitaovam-piadina. Notselaran’ireto farany ny antsy ny sandriny roa sy teo amin’ny sofiny. Tsy namelan’ireo jiolahy raha tsy tapitra teo imason’ny vady aman-janany ny ain’ilay raim-pianakaviana, 36 taona. Tsy nisy afa-tsy vola roa alina ariary monja anefa no azon’ireto olon-dratsy tao amin’ity tokantrano ity. Nitsoaka avy hatrany izy ireo taorian’ny asa ratsy nataon’izy ireo. Fotoana fohy monja taorian’izay no tonga teny an-toerana ny zandary, ary na dia niezaka nanara-dia ireo mpamono aza, dia tafaporitsaka ihany ry zalahy. Hatreto, araka fanazavana azo, dia mipetraka ny fanontaniana ny amin’ny anton’izao fanafihana miharo famonoana izao. Raha ny fantatra mantsy dia fianakaviana tantsaha izy ireo. Itompokolahy José dia mivelona amin’ny tany, mpiasa amin’ny orinasa afa-kaba kosa ramatoa vadiny. Tsy nisy hoe volabe nipetraka tao amin’izy ireo, raha ny filazan’ilay solontenan’ny fianakaviana hatrany, fa dia io roa alina ariary no hany mba vola tao, kanefa dia izao famoizana ain’olona izao no setriny. Efa mandeha ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy, raha ny fanazavana azo avy amin’ireo zandary.
m.L