- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanga rova : Mpangalatr’ omby roalahy tratra

Ambohimanga rova : Mpangalatr’ omby roalahy tratra

Ny 1 may lasa teo tany ho any amin’ny 1ora maraina teo no nisehoan’ny halatr’omby vositra iray tao amin’ny fkt Ambodisoarivo. Tena karazana hala-botry tokoa satria jiolahy roalahy no namaha ny tadin’ity omby ka nandoaka izany antsokosoko, henon’ny tao antanana anefa izany ary tsy niandry ela izy ireo fa nampandre ny zandary tany antoeran ka raikitra ny fanarahan-dia . Tsy lasa lavitra fa fa adiny roa tao aoriana no tratra tao Ilafy ireto mpangalatra ro lahy ka avy hatrany dia nosamborina.

Mbola nahatratrarana sakosy nisy antsy sy antsibe koa moa tany amin’ireto farany, ny omby kosa dia efa naverina soa amntsara tsny amin’ny tompony. Ireto mpangalatr’omby tratra kosa dia natolotra ny zandary hatao famotorana.

ALEM

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser