Fongana ! Lasa avokoa ireo taolam-balo rehetra tao amin’ity fasana iray teny amin’iny faritra Ambohimanga Rova iny. Raha ny filazan’ny fianakaviana tonga teto aminay dia am-polony maro ireo razana very tao amin’io fasana io. Razana lena iray, izay vao nalevina tsy ela akory izay ary karandoha iray sisa navelan’ireo tsy mataho-tody. Omaly tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany maraina tany ho any no nisy nahatsikariktra ny fahavakisan’ity fasana ity. Fasàna, izay anatina tanàna ary feno trano manodidina. Tsy vitan’izay anefa fa mbola lalana fandalovana ihany koa manakaiky azy. Olona sendra nandalo teny no nahatsikaritra fa nivoha ny varavaram-pasana kanefa tsy nisy mpandevina. Nantsoina avy hatrany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy, niampy ireo fianakaviana nijery akaiky ny zava-nisy. Indrisy anefa fa efa nanjavona avokoa ireo taolambalo rehetra tao. « Nikorontana ny tao anaty fasana, ary niparitaka teny ho eny avokoa ireo lamba nifonosan’ireo razana rehetra tao », hoy izy ireo. Tsy fantatra hatreto na ny andro nanaovan’ireo olon-dratsy ity asa ratsiny ity na izay mety nahavita izao heloka izao. Ny vinavinan’ireto fianakaviana ireto dia hoe, tsy ho olona iray no nahavita an’io fa mety ho andiany maro mihitsy. « Efa nohamafisina tanteraka mantsy ny hidim-pasana ary somary sarotsarotra izay ny manala ny vato varavaram-pasana ». Fantatra moa fa efa eny am-pelatanan’ireo mpitandro filaminana eny an-toerana ny raharaha. Ary manantena tanteraka ireo tompon’andraikitri-panjakana isan-tsokajiny avy izy ireo amin’ny fanadihadiana. Etsy andanin’izay dia manao antso avo ihany koa ny mba hijerena akaiky ity tranga vaky fasana sy halatra taolam-paty ity. Vao herinandro vitsy tokoa mantsy izay no nisy fasana roa vaky ihany teny amin’iny faritra Ambohitradrimo iny. Taolam-balo an-jatony maro no very tamin’io fotoana io.
m.L