Mitohy hatrany ny resaka fahitana fatim-behivavy etsy sy eroa. Vehivavy lehibe 66 taona indray no hita faty tao anatina toho-drano iray lehibe tao amin’ny fokontany Vakinampasika, kaominina Ambohimanga Rova, ny asabotsy alina lasa teo. Tokony ho tamin’ny 8 ora alina tany ho any no nahitan’ny fokonolona manodidina ny razana efa nitsingevana. Hatreto, mbola tsy fantatra mazava ny antony nahafaty ity vehivavy ity. Misy ny mihevitra fa mety ho namono tena izy. Misy koa anefa ireo nanambara fa mety ho nianjera tsy nahy tao amin’io toerana io no nahatonga azy ho faty. Efa tonga teny an-toerana ny zandary nijery akaiky ny toe-java-misy. Efa nentina eny amin’ny tranom-paty tetsy Anosiavaratra kosa ny razana. Efa tonga nijery azy teny ihany koa ny fianakaviany. Misokatra ankehitriny ny fanadihadiana mikasika ny antony tena nahafaty ity ramatoa ity. Ny Borigady Ambohimanga Rova no manao ny famotorana rehetra mahakasika ity raharaha ity.
Niony H.