- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanga : Tokantrano notafihana jiolahy nirongo fiadiana

Ambohimanga : Tokantrano notafihana jiolahy nirongo fiadiana

Hatreto aloha dia mbola sarotra ny hilaza fa voafehy ny tsy fahandriam-pahalemana eto amin’ny tany sy ny Firenena na dia eo aza ny ezaka  goavana ary iaraha-mahita ataon’ny mpitandro filaminana. Mitran,ga izany na ambanivohitra na an-tanandehibe toy izay vao niseho teny amin’ny kaominina Ambohimangakely ny alin’ny 6 oktobra hifoha ny 7 okobra teo, na nyb marimarina kokoa tamin’ny 12 ora sy 15 minitra tany ho any. Tokantrano iray indray no lasibatry ny andianjiolahy nirongo fitaovam-piadiana io laina io. Araka ny loharanom-baovao voaray dia dimy lahy ireo mpanafika, izay nirongo basy sy zava-maranitra. Nohanihan’ireo jiolahy ny tamboho mamefy ity tokan-trano ity ary niditra an-keriny tao antrano izy ireo rehefa avy namaky ny varavarana. Vao tafiditra izy ireo dia nandrahona ireo tao an-trano tsy afa nanohitra intsony noho ny tampoka tsy nampoizina. Nznjzkz tznterzkz ireo jiolzhy kz nzndrzokz izay zavatra ilainy sy sarobidy hitany tao. Vokany, voaroba tamin’izany ny televiziona miisa roa, telefaonina finday iray, ary firavaka volamena maromaro, ankoatry ny vola mitentina 500 000 ariary. Efa lasa ireo jioalhy vao afaka nampandre ny mpitandro ny filamiana ireo voatafika. Raha vao nandre izany ireo zandary mpanao fisafoana nitobt tao amin’ny tanan’Anbohijozoro, fokontany Andranovao, ao Ambohimangakely dia nidina teny an-toerana. Idrisy anefa fa tsy nisy azo natao intsony afa tsy ny nokatra ny fanadihadiana sy nampandre ireo tobin-jadary manodidina mba hanao ny fanarahan-dia. Mitohy ny fikarohana.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici