
Sendra ny loza efa ho avy ity lehilahy iray avy naka vilona tetsy Amoronakona omaly maraina. Navadiky ny lakana nentiny izy. Dobo an-drano niaraka tamin’ireo vilona avy nalainy ary namoy ny ainy.
Na dia tsy nisy fiantraikany be loatra teto an-drenivohitra aza ny fisian’ilay andro ratsy nandalo teto amintsika andro vitsy lasa teo dia azo lazaina fa namoizana ain’olona ny rotsak’orana nentiny. Dobo tanteraka mantsy ireo tanimbary rehetra tamin’ireo faritra iva, ary anisan’izany ny tetsy Amoronakona, Ambohimangakely. Saika niakatra avokoa ny rano tamin’izy ireny ary nanampy trotraka izany ny rano lalina noho ny fisian’ireo lavaka mangitsokitsoka avy nangalana biriky teny an-tanimbary. Heverina fa ho lasibatry ny iray tamin’ireo lavaka ireo ity raim-pianakaviana namoy ny ainy omaly teny an-toerana ity. Raha ny angom-baovao azonay teny an-toerana dia voalaza fa handeha haka vilona no nialàny tao an-trano, izay manodidina iny faritra iny ihany. Fanaon’ireo mponina eny amin’iny faritra iny, raha vao miakatra toa izao ny rano dia mandeha lakana rehefa hiampita ireo tanimbary. Tamin’io fotoana io, dia efa nahazo ny zavatra nalaina itompokolahy, izay nafatratra tao anaty gony lehibe telo. Teny an-dàlana handeha hamonjy fodiana izy no sendra loza. Tsy fantatra hatreto na tsy fahazarana nanamory lakana na tsy fihetezan’ny fipetrak’ireo entana tao anatin’izany fa dia nihilana hany ka nampidi-drano ary niafara tamin’ny fivadihan’izany fitaovam-pitanterana izany tanteraka. Nianjera tanaty rano, niaraka tamin’ireo vilona telo gony ity lehilahy ity ary indrisy fa tsy nipoitra intsony. Nambaran’ireo mponina nahafantatra ity lehilahy ity sy nanatri-maso ny zava-nisy rahateo, fa tsy mahay milomano ilay raim-pianakaviana. Teo vao nikoropaka niantso ireo fokonolona manodidina ny rehetra. Vetivety ihany dia hita ilay rangahy saingy efa vatana mangatsiaka sisa nampakarin’ireo fokonolona avy any. Tonga avy hatrany teny an-toerana, raha vao naharay ny antso mahakasika ity loza nitranga ity moa ireo zandary misahana iny faritra iny, niaraka tamin’ireo mpamonjy voina. Amin’ny toe-javatra tahak’izao moa, indrindra fa nisy aina nafoy dia maintsy manokatra fanadihadiana ireo tomponandraikitra amin’izany.
m.L