Nitsamboatra ary taitra tamin’ny torimasony ny olona marobe. Ny antony, feom-basy marobe no heno tokony ho tamin’ny 1ora sy 40 minitra ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo. Nitsamboatra ireo kartie maro manodidina an’Ambohimangakely raha naheno izany satria toa ireny fanafihan-dahalo ireny ny fiheveran’ny olona azy. Rehefa nandeha ny fanamarinina dia fantatra fa tsy feom-basy akory fa kosa fanapoahana afomanga tao amin’ny fety iray. Momba io indray dia tsy fantatra hatramin’ny omaly ny tena niaviany. Efa nitety ireo hotely maro sy toerana fanaovana mariazy isan-karazany teo amin’ny manodidina ny mpitandro ny filaminana saingy niala maina. Tezitra ny olona manoloana ity endrika nanakorotan-tsaina ity. Ny tany efa tsy milamina mbola maheno zavatra mafy mirefotra ihany ary mitohitohy. Hatrany Ankadikely-Ilafy tany aza nandre ilay fipoahana. Ny hany azon’ny olona namborahana ny alahelony dia tao anaty tambajotra sosialy. Mila hiverenana jerena ny lalàna mahakasika ny fanapoahana izay mety manaitra ny olona toa izany. Hatreto mantsy dia « contravention » fotsiny no aloha ary tsy lasa lavitra akory ny raharaha raha toa ka misy ny fitoriana ataon’ny olona. Torak’izany koa ireny mandefa zava-maneno tsy misy hatorian’ny manodidina ireny : milaza fotsiny ny olona fa efa nahazo alàlana tao amin’ny fokontany dia tapitra ny raharaha. Ny haterak’izany anefa dia fa fanelingelenana tanteraka, indrindra raha misy marary na zaza menavava eo amin’ny manodidina. Mila manenjana ny mpitandro ny filaminana ary ravaina mihitsy rehefa fety hita fa manakorontana ny saim-bahoaka.
D.R