- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Andian-jiolahy rain-dahiny, ravan’ny zandary

Ambohimangakely : Andian-jiolahy rain-dahiny, ravan’ny zandary

Isan’ny nampihorohoro ny mponina teny amin’iny faritra Ambohimangakely sy ny manodidina iny ny tarik’i Kaisara. Tambajotran-jiolahy izay hikoizana tokoa amin’ny resaka vaky trano miharo fanafihana sy fanolanana teny an-toerana. Ny faran’ny herinandro teo ary, telolahy izay ao anatin’ity fikambanan-jiolahy ity no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny borigady Ambohimangakely. Fitaovam-piadiana sy fitaovana hafa fentin’ireto olon-dratsy ireto manafika no sarona teny amin’izy ireo ary efa nogiazana. Raha ny fanazavàna azo dia isan’ireo tompon’antoka tamin’ireo fanafihana nisesisesy, teny amin’iny faritra Ambohimahitsy sy Tsarahasina iny, ny volana novambra lasa teo izy ireo. Nanomboka teo no nandray andraikiny ireo tomponandraikitry ny filaminana tamin’ny fikarohana azy ireo. “Nitombo ny vaovao voaangona na avy amin’ny olon-tsotra izany na avy amin’ny fitrandrahana ataon’ny zandary ka izao nahasamborana azy ireo izao na dia fetsy sy malina tokoa aza izy ireo” hoy ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandarimarim-pirenena. Marihana hoy hatrany ny vaovao fa dia efa any amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ilay jioahy rain-dahiny antsoina hoe Kaisara, dia ireo mbola manohy ny asa ratsiny ireto ihany ireo tariny. Omaly izy telolahy voasambotra ireto no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana. “Irariana ny hitohizan’ny fifanomezan-tanana toa izao hatrany hampihena ny asa-ratsin’ireo jiolahy” hoy hatrany ny teo anivon’ny zandary

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici