- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Ankizikely hita faty, naolana sy novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina

Ambohimangakely : Ankizikely hita faty, naolana sy novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina

Habibiana tsy roa aman-tany no nitranga tetsy Ambohimangakely, omaly. Vatana mangatsiaka ana ankizivavy kely vao 4 taona monja mantsy no hitan’ny olona tao anaty lavaka nisy fako teny an-toerana. Rehefa nozahan’ireo tompon’andraikitra ny razana, dia fantatra fa naolana ity ankizivavy ity. Novonoin’ireo na ilay tsy mataho-tody avy eo ary nariany tao anatin’io lavaka teny an-toerana io ny fatiny nony avy teo. Raha ny vaovao azo, dia zavatra hafahafa miendrika tongotra zazakely notaritarihin’ny alika teo akaiky teo no nanintona avy hatrany ny mason’ny olona. Rehefa nisava ny manodidina ny rehetra, dia taitra sy koditra raha nahita ny ambin’ilay tongotra, efa nitangoronan’ny lalitra. Niboridana tanteraka ity ankizivavy kely ity, ary nahitana faritra naratra avokoa ny tenany manontolo. Indrindra fa teo amin’ny lohany sy teo amin’ny fivaviany, antony nahafahana niteny avy hatrany taorian’ny fitiliana fa naolana ity ankizikely tsy manan-tsiny ity, ary novonoina ho faty avy eo. Omaly tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro teo, no nisehoan’ity tranga mampirohoron-koditra ity. Vetivety foana dia nitangorona ny olona. Tonga teny an-toerana ihany koa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy. Raha ny fantatra hatrany, dia toa hoe efa ho herinandro no tsy hita ity ankizy kely ity, ary izay hita faty nisy nanolana izao. Araka ny fanazavana nomen’ny teo anivon’ny zandary, dia efa fanta-pantatra ihany ny olona mety nahavita izao heloka bevava izao, saingy tsy hita teo an-toerana izy io. Efa misokatra araka izany ny fanadihadiana ary mandeha ihany koa ny fikarohana ity olona mety ahiahiana ity. Mandeha ny feo eny an-toerana, fa mety ho ny raibeny izay nitondra azy ity ankizikely ity farany, talohan’ny tsy nahitana azy no ao ambadik’izao seho mampihoron-koditra izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici