Hisoroka ny loza no natao kanjo vao mainka nampitera-doza ilay raha ! Vao tsy nisy andro vitsivitsy akory ny nahavitan’ireo mpanakana hafainganam-pandeha na « casseur de vitesse », napetraka teny amin’iny lalan’i Bypass, Ambohimangakely iny, dia efa nitera-doza sahady. Fiara kely iray no nitsimbadibadika ary nivarina tany an-tanimbary vokatr’izay, ny alin’ny talata lasa teo. Soa ihany araka ny angom-baovao azo fa fahasimbana ara-materialy fotsiny no nitranga fa mba tsy nisy aina nafoy tao anatin’izany lozam-pifamoivoizana izany. Ny sabotsy teo tokoa no napetraka ireo dongona ireto, tokony ho am-polony metatra miala ilay tobin-dasantsy vaovao eny an-toerana raha hitodi-doha hiatsinanana. Tranga izay isan’ny nahagaga ireo mpampiasa lalana maro ihany ny antom-pisiany. Hany ka raha mpamily zatra lalan-dririnina na izay vao nindrana iny lalana iny ka mandeha amin’ny alina dia tsy maintsy ho tra-doza foana na ho simba fananana. Ambonin’ny hoe, vao haingana tokoa mantsy no napetraka ilay izy dia tsy ahitana fampahafantarana ihany koa ireo dongona natao hanenana hafainganam-pandeha ireo raha tsy efa akaiky kely. Mangataka izay tompon’andraikitra araka izany ireo mpampiasa lalana mba hijery akaiky sy haingana ity zavatra ity. Sao sanatria, hoy izy ireo, hiandry faty olona hikararana indray vao handray fepetra.
m.L