Miraviravy tànana tokoa ireo mponina eny amin’iny faritra Ambohimangakely ity tato ho ato izay, ny amin’ny afitsok’ireo mpangalatra eny an-toerana. Tokantrano maromaro teny an-toerana, no nisy namaky ny herinandro lasa teo. Najifa avokoa ireo entana sarobidy rehetra ao an-trano, manginy fotsiny ireo kojakojan-tokantrano sy lakozia misy vidiny. Ary tsy vitan’izay, raha ny voalazan’ireo mponina eny an-toerana hatrany, fa doran’izy ireo, ireo zavatra lafo vidy tsy zakany, toy ny fiara izay mipetraka tsara eo an-tokotany. Raha ny fanazavana avy amin’ireo niharan’ny fahavoazana hatrany, izay nisy tamin’izy ireo no in-droa efa norobain’ireo jiolahy, dia mazàna amin’ny fotoana tsy maha eo ny tompon-trano no anavaon’ireo mpamaky trano ny asa ratsiny. Mety ho tambajotra matanjaka mihitsy ireo olon-dratsy raha izany, satria tsy maintsy misy ny mpanome loharanom-baovao azy ireo, ny amin’ny tsy fisian’ny olona ao amin’izay trano lasibatr’izy ireo. Angamba ihany koa andian-jiolahy iray ihany koa izy ireo, satria dia mitovy avokoa ny fomba fiadiny. Fanapitsohana ny varavarana amin’ny alàlan’ny baramina, fisafidianana ireo entana sarobidy ary fandoroana ireo sisa tsy zakany. Manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra araka izany ireo mponina mba hijery akaiky azy ireo. Tato ho ato tokoa dia tsapa ny firogatry ny asan-jiolahy, tsy an-tanàn-dehibe, tsy ambanivohitra. Raha ny eto an-drenivohitra manokana dia ny sinto-mahery sy fanendahana no mampikaikaika ireo mponina. Miandahy miambavy mihitsy ireo tontakely amin’ny asa ratsiny izay ataony, ary amin’izao, tsy kely tsy lehibe dia manao ny ataony avokoa. Toa izay nitranga tetsy Antanimena, mbola ny herinandro lasa teo ihany. Mananararaotra ny fisian’ny fitohanana izy ireo, tamin’ity indray mitoraka ity dia ankizivavy kely, niditra avy hatrany tao anatina fiara. Tsy misy afa-tsy ilay lehilahy mpitondra fiara ihany no tao anatiny. Niditra rakalakely ary nandrahoana ilay mpamily raha tsy omena azy ny vola rehetra any amin’io rangahy io, dia hiantso vonjy fa hoe mpangala-jaza sy mpanolana izy. Natahotra noho izany ilay rangahy ka nanome tokoa. Nitsoaka nony avy eo ity ankizivavy kely ity.
m.L