- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Fipoahana nahamay trano sy fiara

Ambohimangakely : Fipoahana nahamay trano sy fiara

Hain-trano goavana no niseho tetsy Tsarahasina, Ambohimangakely, ny alin’ny faran’ny herinandro teo. Tsy nisy noraisina ireo entana rehetra tao an-trano niaraka tamin’ny fiara iray teo an-tokontany. Soa ihany fa tsy nisy ny naratra na ny namoy ny ainy tamin’izany.

Tokony ho tamin’ny sivy ora alina tany ho any no nitranga ny loza. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia nisy fipoahana mafy tao amin’io trano io ary izay no nitarika ny firehetana. Ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa vokatry ny fifampikasohana tariby nitondra herinaratra no nahatonga io fipoahana io, izy tsy fantatra hatreto no ho mety nahatonga izany. Vetivety dia nahazo zavatra mora nirehitra ny tselatr’afo ary nanomboka nidedaka ny tao an-trano.  Toa hoe vehivavy iray  no tamin’ity tokantrano ity tamin’io fotoana io, saingy afaka nitsoaka sy nivoaka haingana tao an-trano izy , raha vao nanomboka fotsiny ny afo, raha ny angom-baovao azo hatrany.

Teny ivelany kosa, raha vao nanomboka nijolofotra ny setroka dia efa nitangorona ny olona. Samy niezaka avokoa ny rehetra nanao izay vitany tamin’ny famonoana ny afo sy nifehy izany tsy hiparitaka, mandra-piandry ny fahatongavan’ireo mpamonjy voina. Na teo aza anefa izany, dia tsy voatana ihany ity afo mpandrava, hamotika tanteraka ity trano niaraka tamin’ny entana rehetra tao an-trano. Voalaza ihany koa fa hoe mbola nisy vola aman’hetsiny maromaro tao amin’io trano io izay zary lasa lavenona sisa, niaraka tamin’ny fiara, izy tsy nisy noraisina ihany koa. Fotoana fohy taty aoriana moa no maty tanteraka ny afo. Tonga teny an-toerana ihany koa ireo tompon’andraikitry ny filaminana, nijery ifotony ny zava-nisy ary nandray an-tanana ny raharaha tamin’ny fanokafana ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici