Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray no nitranga tamin’iny lalan’i By-pass iny, ny sabotsy alina lasa teo, teny Ambohimangakely. Fiara kely, marika “Golf type 4”, no nifatratra tany ambanin’ny kamiô “remorque” iray teny an-toerana. Vokany maty tsy tra-drano ilay mpamily an’ity fiara kely ity. Naratra mafy kosa ireo olona telo hafa tao anatin’ilay fiara. Kamiô nijanona teo an-tsisin-dalana ity fiarabe ity, raha avy handeha hizotra ho any Ambohimangakely kosa ity fiara kely ity. Raha ny filazan’ireo mponina teny an-toerana dia nandeha faran’izay mafy tokoa ity farany ity. Toa hoe avy nisotrosotro ireo mpandeha tao anatiny, ka angamba nitsapa ny herin’ny fiara nentin’izy ireo. Ny tsy nampoizin’izy ireo anefa dia ny fisiana kamiô “remorque” iray nijanona teo akaikin’ny tobin-tsolika iray. Somary maizimaizina rahateo ny lalana tamin’io fotoana io, teo amin’io fivarotana io no nisy jiro nirehitra. Heverin’ny maro, araka izany, fa jambena tamin’io jiro io ilay mpamily ka tsy nahatazana velively ilay fiarabe. Tsy voatana intsony ilay fiarakely fa avy hatrany dia nidofotra teo amin’ny vodin’ilay “remorque”. Mafy dia mafy ny fifandonana, raha ny nambaran’ireo mponina, izay samy taitra tamina fipoahana nanakoako teny an-toerana. Tafalentika lavitra tao ambanin’ilay fiarabe mihitsy ity fiara kely ity, izay tsy nisy noraisina intsony. Vokatr’izay dona mafy izay, voan’ireo korontam-by teo amin’ny lohany ny mpamily. Tsy nisy azo namantarana azy intsony. Vaky tanteraka ny karan-dohany ary niparitaka ny atidohany. Ireto olona telo hafa samy nahitana faharatrana goavana avokoa, tao ny tapa-tanana, ny toro tongotra, sns, araka ny filazan’ireo nanatri-maso hatrany. Ireo olona ireo, izay voatery nosokirina tao mihitsy, raha ny fantatra. Nifanome tanana avokoa ireo mponina teny an-toerana, namonjy ireto tanora tra-doza ireto sy nitondra izany tany amin’ny tobim-pahasalamana.
Ekena tokoa fa faran’ny herinandro fialàna voly. Na dia izany aza, tsy tokony ho izany no handeha hisetrasetrana eny amin’ny lalàna. Fahafinaretana no saika hotadiavina kanjo loza mahatsiravina sy fahafatesana no nitsena.
m.L