Tratra tao an-tranon’ireto roalahy ny simenitra aman-taoniny, nangalarin’izy ireo tao amina orinasa iray niasany ihany teny amin’iny faritra Ambohimangakely iny ny faran’ny herinandro teo. Olona roa hafa ihany koa no voarohirohy tamin’ity resaka halatra ity, izay tsy iza fa samy mpiasa tao amin’ilay orinasa ihany. Natolotra ny Fampanoavana omaly izy efatra ireto ary nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora, raha ny fampitam-baovao azo. Araka ny fantatra dia tokony ho iray volana lasa teo izay no nahatsikaritra fahambangana lehibe ny tompon’ilay orinasa tamin’ny tsy fahampian’ireo simenitra tonga tao amin’izy ireo. Nametraka fitoriana avy hatrany tany amin’ny zandary ny tompon’ireo entana. Nandeha avy hatrany ny famotorana taty aoriana ka nahatratrarana ireo roalahy, izay mpiasa tompon’andraikitra tamin’ny fampidirana ireo simenitra ireo. Nanoro avy hatrany ny namany ireto roalahy ireto, ka mbola tratra tao an-tranon’ireo mpandray halatra, izay marihana fa mbola mpiasa ao ihany, ireo simenitra 20 lasaka. Nosamborin’ny mpitandro filaminana avy hatrany ireto farany. Nohadihadiana ary ireo natolotra ny Fampanoavana ireo.
m.L