Nalaza tato ho ato ny resaka vaky fasana sy ny bizina taolam-paty tamin’ny faritra maromaro teto an-drenivohitra. Anisan’izany ny kaominina Ambohimangakely sy ny manodidina. Ankehitriny, nody ventiny anefa ny rano natsakain’ireo mpitandro filaminana. Rehefa niroso tamin’ny asa fikarohana sy famotorana ny zava-misy marina any an-toerana ny zandary avy ao amin’ny borigady Ambohimangakely, tarihin’ny Adjudant-Chef Kelly Franco Jhon, indrindra fa noho ny fisian’ny fiaraha-miasan’izy ireo tamin’ny fokonolona izay tsara sitrapo dia tratra ireo mpangalatra sy mpivarotra taolam-paty ary mpamaky fasana ikoizana tokoa any amin’iny faritra iny. Fito izy ireo no nosamborin’ny zandary izao, izay marihina fa vehivavy ny iray amin’izany. Tao amin’ny fokontany Ambohimahatsinjo ireto farany izao noraisim-potsiny izao.Nandray ny fepetra hanao savahao ny trano fonenan’ireto olon-dratsy ireto avy hatrany ny zandary ka vokany : tratra niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny fitaovana fanatanterahan’izy ireo ny asa ratsiny sy ny taolam-paty roa gony. Taorian’ny famotorana natao azy ireo, dia fantatra fa mponina eny amin’ny manodidina eny ihany ireto nahavita asa ratsy nosamborin’ny zandary izao.
Niony H.