Azo lazaina fa mandry andriran’antsy ny mponina ao anatin’ny kaominina Ambohimangakely, distrika Antananarivo Avaradrano. Ekena fa manao ny ainy tsy ho zavatra ny mpitandro filaminana nefa toa very hevitra ihany izy ireo raha ny zava-misy tato ho ato no jerena. Saika isan’andro no andrenesana fanafihan-jiolahy ao amin’io kaominina io. Manao andiany ireo olon-dratsy ary mitondra faisana avokoa izay tokantrano andalovany, raha tsy hilaza afa-tsy ity vao nitranga ny alin’ny Alarobia 21 hifoha ny Alakamisy 22 novambra ity. Tamin’ny 11 ora alina, jiolahy fito mirongo basim-borona sy zava-maranitra no niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray tao amin’ny tanàna antsoina hoe Falimanjaka, fokontany Betafo. Araka ny vaovao avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, dia nanapoaka basy in-droa ireo olon-dratsy mba hampitahorana ny manodidina. Tsy nisy sahy nivoaka noho izany ireto farany ireto ka dia azo lazaina fa nanaram-po tokoa ireo jiolahy naka izay nilainy rehefa avy nandratra ny tompon-trano. Lasan’izy ireo tamin’izany ny : finday iray, radio iray, televiziona iray, ary vola 200. 000 ariary. Vokany, efa lasa ireo jiolahy vao afaka niantso ny mpitandro ny filaminana ny niharam-boina. Nanao vonjy taitra avy hatrany ireo zandary mpanao fisafoana amin’ny alina avy ao amin’ny borigadin’Ambohimangakely ary nandefa ny naratra tany amin’ny hôpitaly. Efa misokatra ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.
T.M.