- Publicité -
mercredi, septembre 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Jiolahy saika hanafika, tratra niaraka tamin’ny basy poleta

Ambohimangakely : Jiolahy saika hanafika, tratra niaraka tamin’ny basy poleta

Jiolahy rain-dahiny roa, izay isan’ny nampihorohoro iny faritra Ambohimangakely sy ny manodidina iny no voasambotry ny zandary avy etsy amin’ny borigadin’Ambohimangakely. Mbola tratra teny amin’ireto olon-dratsy ireto ny fitaovam-piadiana; izay fentin’izy ireo manao ny asa ratsiny : basy vita gasy iray niaraka tamin’ny bala, antsy iray ary “barre à pince” iray. Raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary hatrany, dia teo am-pikononkononana hanao fanafihana izy ireto, niaraka tamin’ny namany hafa no saron’ireo mpitandro filaminana. Dimy izy ireo, tsy nisaron-tava no nikasa hiditra sy handroba tao amina tokantranon’olona iray teny amin’ny fokontany Ambohitrombihavana. Soa ihany anefa fa naharay antso vonjy tamin’ny manodidina ara-potoana ny teo anivon’ny zandary, ary tonga haingana teny amin’ny toerana nisian’ilay fanafihana. Ireto farany rahateo, izay tsy mitsahatra ny manatanteraka fisafoana isan’alina teny amin’ny faritra tsy dia lavitra ilay toerana. Tamin’io fotoana io anefa, tsikaritry ny iray tamin’ireo olon-dratsy izay tsy nanao afa-tsy ny fitiliana ny manodidina ny fahatongavan’ireo zandary ka nampandre avy hatrany ny namany izy. Nanao tari-dositra avy hatrany ireto olon-dratsy ka raikitra teo ny fanenjehana. Napetraka avy hatrany ny fanakanana ny làlana izay mety ho  halehan’izy ireo ka tsy ela dia io voasambotra io ny roa, raha tafaporitsaka kosa ny telo ambiny. Araka ny fanazavana azo hatrany, dia efa maro ireo olona niharan’ny fandrobana sy fanendahana tao amin’iny faritra Tsarahasina sy ny manodidina iny no nanondro avokoa ireto olon-dratsy ireto ho tompon’antoka tamin’ny fanafihana nihatra tamin’izy ireo. Nadoboka avy hatrany teny Tsiafahy moa izy roalahy ireto miandry ny fotoam-pitsarana azy ireo, rehefa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana, ny talata lasa teo. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo namany hafa.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici