- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Kivy ny mpandevina, vaky ny fasana

Ambohimangakely : Kivy ny mpandevina, vaky ny fasana

Nitombo iray indray ny fahorian’ireo olona mana-manjo. Omaly izy ireo, raha handeha handevina ny havan’izy ireo izay namoy ny ainy, akory ny hagagana raha nahita ny fasana efa nisokatra. Nisy naka ny taolam-balo miisa valo tao anatiny, raha araka ny loharanom-baovao. Raha ny fantatra dia nampiasa ireny “barre à pince” ireny ireo olon-dratsy mba nahafahany namoha ny fasana. Tsy nisy na inona na inona azo natao satria tsy maintsy natao ny fandevenana. Nalamina ireo sisan-taolam-balo isa navelan’ireo olon-dratsy dia nampidirina ny razana. Tsy mbola nahitam-baliny mihitsy hatreto ny momba ity vaky fasana ity. Hatao inona ireo taolam-balo ary inona ny tena  ao ambadiny? Heverina mba tokony hanokana tetibola ny fanjakana hanaovana fanadihadiana lalina momba ny tranga toa itony. Manan-danja loatra amin’ny kolontsaina malagasy mantsy ny razana…

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser