Namono olona indray ny lalam-pirenena faharoa teny amin’iny faritra Ambohimangakely iny, ny harivan’ny alatsinainy lasa teo. Rangahy iray sendra nivoaka ny faritry ny arabe no voafaokan’ny kamiao lehibe iray nandeha mafy teo amin’ny PK10+100 araky ny fanazavàna azo avy tamin’ny mpitandro filaminana. Indrisy anefa, fa tsy nijanona akory na dia nanopy maso ilay olona voadona aza ny mpamilin’izany fiarabe izany, fa vao mainka nanao tari-dositra. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny zandary.
Hiaraha-mahalala tokoa fa malalaka ny lalana eto an-dRrenivohitra amin’izao fotoanan’ny fihibohana izao, indrindra moa fa rehefa hariva. Azo heverina fa nanararaotra izany fahalalahan’ny lalana izany ny mpamilin’ity fiarabe ity, izay efa nahazo alalàna hiditra rahateo eto an-dRenivohitra manomboka amin’ny roa ora tolakandro, ka nanampatra ny hafainganam-pandehany. Tamin’io fotoana io indrindra, tokony ho tamin’ny efatra ora mahery tany ho any no nisy lehilahy iray, izay mponina eny an-toerana niampita tampoka teny amin’ny arabe, tsy nahita velively ilay fiarabe nandeha mafy. Tsy tana intsony ny loza. Voafaoka mafimafy ilay lehilahy ary niakarapoka tamin’ny tany. Nandriaka ny rà ary tsy nihetsika intsony ilay voadona. Inoana fa mety ho hitan’ny mpamily ihany ity farany, saingy tsy nijanona mihitsy izy. Nisy nahita ny zava-niseho ka ireo no niezaka namonjy ilay voadona sy niantso mpitandro filaminana. Ilay lehilahy voadona moa, indrisy fa tsy nisy n’inona azo natao taminy intsony. Namoy ny ainy teo ho no eo, noho ny dona mafy sy ratra nahazo azy. Tetsy an-danin’izay kosa, nifanenjehan’ireo zandary avy hatrany ilay fiarabe ka efa tany By-pass araka ny fanazavana azo vao tratra. Nentina nofotorana avy hatrany ilehio ary nogiazana sy nampidirina am-balam-pamonjana kosa ilay fiara nahavanon-doza.
m.L