Nahazo vahana indray tato ho ato izay ny fangalarana kojakojana fiara, eny fa na hatramina vatana fiara mihitsy aza. Toy ity nitranga tetsy Ambohimangakely ity, ny alakamisy vao maraina lasa teo. Raha teo am-paningana « capot », hanamarina ny fatran’ny menaka mantsy ny tompon’ny fiara no niditra an-tsokotsoko tao anaty fiara ny lehilahy iray. Efa teo am-pamelomana izany mihitsy ny anao lahy no taitra ny tompony ary niantso vonjy avy hatrany.
Tamin’io fotoana io mihitsy ihany koa no nandalo ireo zandary misahana iny faritra iny, teo am-panaovana fisafoana. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireto farany, niditra an-tsehatra niezaka nisambotra ilay mpangalatra fiara. Tafatsoaka anefa ity farany ary nihazo ny tanimbary. Raikitra teo ny fifanenjehana ka taty Ambatomaro vao tratra ity mpangalatra ity. Tamin’ny famotorana azy no nahafantarana fa nikasa ny hangalatra io fiara io mihitsy ny tenany ary nolazainy fa handeha hamidiny izany raha azony teo. Natolotra avy hatrany teny amin’ny Fampanoavana moa ity farany rehefa vita ny famotorana natao azy. Taorian’izay dia nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny lehilahy.
m.L