- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Lietnà sandoka nanompa sy naniratsira zandary

Ambohimangakely : Lietnà sandoka nanompa sy naniratsira zandary

Ilay lietnà sandoka nosamborin’ny zandary tetsy Ambohimangakely.

Tovolahy iray, 25 taona no voatery nosamborina, ny alatsinain’ny Paska lasa teo, noho ity farany voarohirohy tamin’ny resaka faniratsiràna mpitandro filaminana manao ny asany miampy fisandohana andraikitra ary fanaovana herisetra. Toy ny mahazatra rehefa alatsinain’ny paska dia mitombo izay tsy izy ny fitohanana amin’ireo lalam-pirenena rehetra miditra eto an-drenivohitra. Ary eo vao tena miasa ireo mpitandro filaminana mpandamina fifamoivoizana. Anisan’izany ny tetsy Ambodivoara, Ambohimangakely, lalam-pirenena faharoa iny. Noho ny habetsaky ny fiara mifamezivezy hoy ny fanazavana azo dia tsy maintsy narindra sy nalamina ny lalana. Tsy nety nanaiky izay anefa ity tovolahy iray, nitondra fiara ary nilaza tamin’ireo zandary fa « tsy sakantsakanana ingahy fa manamboninahitra lietnà ao Betongolo ary vao hafindra ao Ankadilalana ». Tsy vitan’izay tsindry bokotra izay anefa fa mbola niaraka tamin’ny ompa variraraka, hoy hatrany ny fanazavana azo. Teo anatrehan’ny zava-nisy dia voatery nandray andraikitra ireo zandary ary niezaka nifehy sy nisambotra azy. Teo am-pisamborana anefa dia namaly mafy ity farany ary niezaka nandratra sy nampiasa hery tamin’ireo zandary nifehy azy. Izy raha ny voalaza dia efa teo ambany vahoan’ny zava-pisotro misy alikaola. Ary tsy mpitandro filaminana mitondra ireo laharam-boninahitra io, raha ny fanazavana azo hatrany. Nentina nihazon’ny biraon’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Ambohimangakely moa ity farany ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy, mialoha ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici