- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Maty natsipin'ny "courant force"

Ambohimangakely : Maty natsipin’ny « courant force »

Lehilahy iray no niharan’izany ny alakamisy teo. Niakatra teny ambony andrin-jiro izay mitondra herinaratra mahery vaika ny tenany. Azo heverina ho naharay ny « fil » izy ary natsipin’ny herinaratra avy eny ambony eny. Ankoatra ny fahamaizana nahazo azy izany dia mbola nihatra taminy koa ny fianjerana mafy. Teo ihany dia maty tsy tsa-drano ilay lehilahy. Ny olona sendra nandalo no nahita azy izay efa nitsiatra teo amin’ny tany. Hatreto dia tsy nisy nahafantatra izay antony niakarany teny ambony teny. Maro ny olona izay nieritreritra fa mety ho namoy fo izy. Koa satria fahafatesan’olona no nitranga dia nisy ny fanadihadiana izay nosokafan’ny mpitandro ny filaminana.

 D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici