Vao maraina omaly dia efa lozam-pifamoivoizana no nitranga tetsy Ambohimangakely, tsy mifanalavitra amin’Ikianja. Fiara taxi-brousse iray avy any Toamasina no nifaoka mpianaka izay nivoaka vao maraina. Toa efa tsikaritr’ilay ramatoa ny fiavian’ilay fiara izay nandeha mafy, raha araka ny fitantaran’ny olona, ary natsipiny naka sisiny avy hatrany ny zanany kely. Zara raha vita izay dia efa nofaohin’ilay fiara mpitatitra ny tenany. Maty tsy tsa-drano, voa mafy teo amin’ny lohany. Ilay zaza kosa dia naratra mafy ary mbola notsaboina hatramin’ny omaly. Raha ny fanazavan’ny olona teo an-toerana dia nisy fiara roa nifampisongona kanefa tao anatin’ny fiolanana. Izay no nitarika ny loza. Tao anatin’izany no voafoaka izy mianaka izay tafiditra teo anelanelan’ilay fiara roa izany. Omaly maraina ihany dia efa nandalo teo an-toerana ny BMH naka ny razana. Ilay zaza kosa nentina avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana mba ho fanavotana ny ainy. Ilay saofera kosa notazomin’ny zandary ary nanokafana fanadihadiana. Tsy ilaozan’ny tsy misy andro iray izay tsy miteraka lozam-pifamoivoizana ny fiara fitaterana izay mandeha amin’ny lalam-pirenena. Raha tsy sendra ny saofera izay tsy mahafehy ny familiana na nanome izany ho an’ny mpamily mpanampy dia misy koa ny olana ara-teknika izay matetika noho ny tsy firaharahian’ny tompony fiara : kodiarana sola, hisatra tsy mahazo tsara sns. Mitera-doza avokoa ireo antony ireo ary manampy trotraka ny fahasimban’ny lalam-pirenena izay efa feno lavaka. Ny mizotra mankany Avaratra aza, mifanandrify amin’Antsohihy iny, dia tsy lavaka intsony fa efa « zohy » mihitsy no hita maso eo amin’ny arabe. Loza mitatao avy hatrany ho an’ny fiara izay tsy afa-manoatra anefa fa mbola miasa ihany. Mila mivezivezy ny olona noho ny antony samihafa ary dia tsy maintsy tohizana ny asa fitaterana. Vokatr’izany rehetra izany dia lasa adin-tsaina tanteraka ho an’ny mpandeha ny fanakinana ny diany amin’ny fiara fitaterana. Saingy tsy afa-manoatra…
D.R