- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Maty voatifitra i Tsimisangy, jiolahy raindahiny

Ambohimangakely : Maty voatifitra i Tsimisangy, jiolahy raindahiny

Nangotraka ny fifandonana tetsy Ankadindambo, Ambohimangakely, ny alin’ny alatsinainy teo, teo amin’ireo zandary avy etsy amin’ny tobim-paritra Ambohimangakely, sy ny andian-jiolahy, izay nikasa ny hanafika mpandraharaha iray teny an-toerana. Vokany, iray tamin’io olon-dratsy no namoy ny ainy. Olon-dratsy izay tsy iza fa jiolahy rain-dahiny, efa tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana maromaro teo an-drenivohitra sy ny manodidina, ary atidoha nikotrika vono olona maromaro ka anisan’izany ny zandary iray tany Ambatomirahavavy, ny volana jolay 2023.

Araka ny fampitam-baovao azo dia efa ny alahady antoandro teo no nahazo vaovao ny zandary, mahakasika ny fisian’ny andian-jiolahy mikonokonona fanafihana teny amin’iny faritra Ankadindambo iny. Tamin’io ihany dia nihetsika ireo mpitandro filaminana ary niezaka nitady ny toerana hiafenan’ireto olon-dratsy. Tsy niandry ela akory dia fantatra io toerana io, tetsy Manantenasoa, Ambohimangakely. Ingahy Tsimisangy irery anefa no hita tao, izay fantatra fa atidoha nikotrika ilay fanafihana. Mazava ho azy, fantatra teo avokoa ny drafitra sy ny tetik’adin’ireo olon-dratsy rehefa nofotorana ingahirainy. “Mpandrahara iray eny an-toerana no hatao lasibatra ary ny alin’ny alatsinainy no fotoana hanantanterahana ny fanafihana”. Napetraka avy hatrany ny vela-pandrika hanjonoana ireo namany ary dia io tokoa fa nifanao fotoana tsy lavitra ilay toerana saika hisian’ny fanafihana ny roa tonta. Ny zandary, niaraka tamin’Ingahy Tsimisangy, atao jono ho an’ireo namany etsy andaniny ary ireo andian-jiolahy vonon-kanafika ny ankilany. Raikitra ny fifanjevoana. Tamin’io fotoana io, hoy hatrany ny vaovao no nanararaotra nitsoaka teo am-pelatanan’ny zandary ny lehilahy saingy tsy afaka nandeha lavitra dia voatifitra. Noho ny fahabetsahan’ny fahaverezan-dra dia namoy ny ainy ity farany hoy hatrany ny zandary.

Ankoatra an’i Tsimisangy dia efa saika fantampatatra avokoa ireo olon-dratsy naman’ity farany, hoy hatrany ny zandary ary efa mandeha ny fikarohana azy ireo. Azo heverina fa mety ho tohin’ity hazalambo ity ihany ny fahenon’ny mponina poabasy maromaro omaly hariva teny amin’iny faritra Ankadindambo iny. Andrasana eo izay tohin’ny fanazavana entin’ireo mpitandro filaminana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici