- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : « Mecanicien » maty main’ny herinaratra

Ambohimangakely : « Mecanicien » maty main’ny herinaratra

Ny loza tokoa tsy mampilaza rehefa ho tonga izay. Toy ny nitranga teny Ikianja Ambohimangakely, ny faran’ny herinandro lasa teo. Lehilahy iray manodidina ny 43 taona mantsy no namoy ny ainy tao amin’ny toeram-piasany, noho ny herinaratra nandoro azy. Mpiasa amina garazy mpanamboatra fiara eny an-toerana ity olona ity. Tokony ho tamin’ny efatra ora hariva teo no niseho ny loza, raha ny fampitam-baovao azo. Tsy fantatra mazava anefa izay tena nitranga teo, fa izy efa nitsirara tsy nisy aina intsony no hitan’ny olona. Tamin’izay fotoana izay, dia hita nikasika tamina tariby nitanjaka iray nitondra herinaratra ny faritry ny vatany. Rehefa nantsoina ka tonga teny an-toerana ireo tompon’andraikitry ny filaminana sy ny mpitsabo nijery ifotony ny zava-nisy, dia voamarina teo tokoa fa main’ny herinaratra ity lehilahy ity. Taorian’ny fitiliana moa, dia efa natolotra ny fianakaviany ny razana. Mbola maro ireo mpiasa tena tandindonin-doza isan’andro isan’andro raha ny eto amintsika manokana. Mazàna tokoa mantsy izy ireny, dia milalao zavatra mampidi-doza foana, kanefa na dia fiarovana kely tsy eny aminy. Izany dia noho ny toerana fiasan’izy ireo tsy manaraka ny fenitra takiana amin’ny resaka fiarovana amin’ny loza : fipoahana na fahamaizana toy io nitranga teny Ambohimangakely io.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici