Ny kodiaran-droa nisongona kamiao. Nisy taxibe tampoka anefa nifanena taminy. Tsy tafala intsony ilay moto ary ny taxibe indray niezaka niala azy, kinanjo nifatratra tany amin’ilay kamiao lehibe. Mafy ny fahavoazana nandritra ity lozam-pifampivoizana teo anelanelan’Ambohimangakely sy Ambohimalaza ity, omaly tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro. Teo ihany dia efa tsikaritry ny olona fa ahiana ny ain’ilay lehilahy tokony ho 25 taona izay nandeha kodiaran-droa. « Efa nanomboka niakatra ny masony tamin’ny fotoana nampidirina azy tao anaty taxi-be nitatitra ho any amin’ny toeram-pitsaboana akaiky indrindra mba ho fanavotana ny ainy », raha araka ny filazan’ny nanatri-maso. Fotoana fohy taorian’izay dia nahazo antso ny olona teo an-toerana fa namoy ny ainy ilay lehilahy. Nalahelo ny rehetra raha nandre izany vaovao ratsy izany. Tao amin’ny hopitaly manara-penitra ao Ambohimangakely ny razana omaly no napetraka mandra-pakan’ny fianakaviany azy. Teo amin’ny toerana nisy ny loza indray dia mbola ady mafy koa ny nanala ilay mpamily teo amin’ny toerany. Ny antony dia satria nihemotra ny lohan’ny fiara (taxi-be) nentiny ary voatery teo izy ka tsy afa-niala. Ny olona teo amin’ny manodidina no nitondra vy lehibe mba hisokirana ny vatany hivoaka tao. Tamin’ny fotoana nandalovana teny an-toerana dia efa nalefa eny amin’ny toeram-pitsaboana koa io mpamily io. Ahiana koa ny toe-pahasalamany satria ela vao tafavoaka tao anaty fiara talohan’ny nahafahana nitondra azy teny amin’ny hopitaly. Maromaro ny lozam-pifamoivoizana nahakasika kodiaran-droa omaly. Isan’izany koa ny tetsy Nanisana izay tena nahavoa mafy koa ny mpitaingina moto ary tsy maintsy nentina haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana.
D.R