- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Mpamaky trano sy fiara ikoizana, voasambotry ny zandary

Ambohimangakely : Mpamaky trano sy fiara ikoizana, voasambotry ny zandary

Vao 19 taona monja ny lehilahy kanefa efa tena za-draharaha tanteraka amin’ny « asany » ! Handeha hanao « mission » mihitsy moa izy tamin’izay, no nifanena tamin’ireo mpanao fisafoana ka dia very maina teo ny ezaka. Efa vonona tany aminy ny fitaovana rehetra, fentina miasa toy ny « clé » isan-karazany sy fitaovana hafa. Eny fa na hatramin’ny tapa-mofo misy … poizina sy paraky, ho an’ny alika aza, dia efa tany amin’ity tovolahy ity. Ny herinandro teo no voasambotry ny zandary ity olon-dratsy ity, ary naverina indray tany amin’ny fonja efa nitazomana azy teo aloha. Raha ny vaovao mantsy dia vao avy nigadra mihitsy ranamana ary nahavita ny saziny ny volana jolay lasa teo, noho izay resaka vaky trano sy fiara izay hatrany. Tanana efa zatra mitsotra marina angaha, hany ka raha naheno fa misy « mission » amin’ilay efa nahazatra tany dia tsy nisalasala mihitsy nandraikitra an’ilay izy. Nambarany tamin’ireo zandary nahasambotra azy mantsy fa nisy namany saika hiaraka handeha hamaky trano taminy tamin’io fotoana io. Saingy tsy hitany no tsy hainy izay anaran’ilay olona tamin’izay fotoana izay. Ankevitry ny teo am-piandrasana azy mihitsy angamba izy tamin’io fotoana io no nifanena tamin’ireo zandary mpanao fisafoana teny amin’iny faritra Ambohimangakely iny. Mazava ho azy, nentina notanana natao andrimaso avy hatrany teny amin’ny biraon’ny zandary ingahirainy, ho amin’ny famotorana azy, nialohan’ny nitondràna ny raharaha teny anivon’ny Fampanoavana. Ireo mpitsara rahateo, tsy nisalasala mihitsy nanao sonia ny fametrahana azy am-ponja vonjimaika indray aloha, miandry ny fotoam-pitsaràna.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici