- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Mpanao fanafihana sy mpanendaka ravan'ny zandary

Ambohimangakely : Mpanao fanafihana sy mpanendaka ravan’ny zandary

Anisan’ireo nampitondra faisana ireo mponina teny amin’iny faritra Ambohimangakely sy ny manodidina iny izy ireo. Mpanendaka, mpanafika ary mpandroba, enin-dahy no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimangakely ny faran’ny herinandro lasa teo.

Niainga tamin’ny fisiana tranga, izay nahalasibatra mpitondra fivavahana iray, teny amin’iny faritra Ankadindambo, kaominina Ambohimangakely no fikarohana nataon’ireo zandary. Ny alarobia alina teo tokoa mantsy dia pasitera iray no fantatra fa nisy nandroba sy nanendaka teny an-dalana. Tsy vitan’izay fa mbola noratrain’ireo tontakely ihany koa ity farany.  Niditra an-tsehatra avy hatrany ny zandary tamin’ny fikarohana ireo olon-dratsy. Ny marain’ny zoma lasa teo, rehefa nisy fidinana ifotony nataon’ireo zandary dia nahatsikaritra tovolahy hafahafa fihetsika teo amin’ny fiantsonana « Manambina », tsy lavitry ny tetezana teo Ambohimangakely izy ireo. Rehefa natonina sy nosavaina ity farany dia nahitàna « malette » nisy baiboly. Rehefa nofotorana ity farany dia fantatra fa tsy azy izy ireo ary voalaza teo fa anisan’ireo nandray anjara tamin’ilay fanafihana pasitera teny Ankadindambo izy. Efa nisy « afera » iray hafa vitan’izy ireo ihany koa, izy sy ny namany, taorian’izay. Nanaiky ny hanoro ireo namany mpiray tsikombakomba aminy moa ity tovolahy ity ary toy ny kofehy manara-panjaitra, voasambotra avokoa izy ireo ary samy notanana natao andrimaso amin’ny biraon’ny zandary, miandry ny fanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici