Tena ilaina mihitsy ny fivoaran’ny teknolojia ankehitriny manoloana ny tsy fandriam-pahalemana manjaka eto amin’ny firenena. Tovolahy ankiroa no karohin’ny zandary avy ao Ambohimangakely rehefa avy nangalatra moto tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ankadilalana, ao amin’io kaominina ao Antananarivo Avaradrano io, ny alahady lasa teo. Moto nijanona teo an-tokotany ity nisy nangalatra ity tamin’io andro io alahady hariva io. Najanon’ny tompony teo izany fa naka zavatra tany an-tranony izy mialoha ny handehanany hivoaka. 10 minitra monja anefa dia nanjavona ilay kodiaran-droa marika Kymco G5. Tsy fantatr’ireto mpangalatra anefa fa azon’ny « camera de surveillance » mipetraka eo amin’ny fivarotam-panafody eo akaiky eo daholo ny fomba nakan’izy ireo io moto io. Rehefa notsirihina ny sary voarakitra tao dia hita fa olona roa no nanao ny heloka. Nitondra moto Jog menamena ireo olon-dratsy ary samy manao arovava.
Ny iray nandaka ary ny iray hafa nitondra avy eo. Koa mangataka fiaraha-miasa ny mpitandro filaminana mba hikarohana ity moto ity sy ireo jiolahy ireo, ka izay manam-baovao mahakasika izany dia iangaviana mba hiantso ny laharana 034 71 283 64 na ny 034 27 091 49.
T.M.