
Vola efa nitentina am-polony tapitrisany maro no efa voadikodin’ity rangahy ity sy nosolokiny, tao anatin’ny fotoana vitsy monja. Ary tsy teto an-drenivohitra ihany fa na hatrany amin’ny faritra aza. Efa nisy mihitsy aza moa ny fampilazàna fikarohana navoakan’ny pôlisy avy any Antsirabe nahakasika azy. Misy farany foana anefa ny ratsy atao. Voasambotry ny zandary avy etsy amin’ny tobim-paritra Ambohimangakely sy ny zana-tobi-paritra Soamanandrariny ny lehilahy, omaly maraina tetsy Ampasampito.
Raha ny angom-baovao azo tokoa mantsy dia nisy ny fitairanana nataon’ny olona efa lasibatr’ity rangahy ity teny anivon’ny zandary. Vola manodidina ny efatra tapitrisa ariary teo ho eo no nosolokin’ity olon-dratsy ity tamin’izay fotoana izay. Nosokafana avy hatrany ny fanadihadiana ary natao ny fikarohana izany lehilahy 46 taona, tompon’antoka tamin’izany fisolokiana izany. Tamin’ny alalan’ny fampitam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo dia fantatra fa mihaodihaody teny amin’iny faritra Ampasampito iny ity lehilahy nokarohina ity. Napetraka ny velam-pandrika tsy afa-niala intsony ny lehilahy. Teo no ho eo ihany dia nopaingorina ary nentina natao famotorana tany amin’ny biraon’ny zandary. Nandritra izay ihany koa moa nahafantarana fa olona efa karohin’ny pôlisy fatratra ity lehilahy, noho ny resaka fisolokiana vola mitentina eo amin’ny 13 tapitrisa ariary mahery teo. Izany hoe efa zava-panaony mihitsy izany asa ratsy izany hoy ny vaovao. Atolotra tsy hoe ela ny Fampanoavana moa ranamana aorian’ny famotorana azy.
Azo lazaina tokoa efa tena mipaka eny amin’ny fiaraha-monina ny hetsika imasoan’ny eo anivon’ny zandary, amin’ny fiaraha-mientan’ny maro hamongorana ny asa ratsy ao anatin’ny « Tagnamaron’ny fandriampahalemana ». Porofo iray azo tsapain-tanana ity nahazoana mpisoloky raindahiny ho an’ny zandary Ambohimangakely ity. Azo heverina araka izany fa efa mipetraka ny fitokisana tamin’ny alalan’ireo fanentanana marobe nataon’izy ireo, ary tsy nisalasala intsony ny olona eny ifotony manome vaovao mahakasika ireo mpanao ratsy.
m.L