Rahampitso no hotsaraina ny raharaha. Voasambotra ny faran’ny herinandro lasa teo ny ramatoa iray ary avy hatrany dia nanokafana fanadihadiana noho ny fisolokiana mifandraika amin’ny famarotana tany amin’ny olona maromaro. Tsy latsaky ny dimy ny mpitory azy ary efa nahazoany vola avokoa. Ny tsy nampoiziny dia efa nanomboka nifampiresaka ny olona, izay samy efa nieritreritra ny ho tompon’ny tany. Teo vao samy nahalala fa samy voafitaka. Nisy zandary maromaro tao anatin’ny efa nahazoan’ireo vola. Ireo no nanapa-kevitra ny nisambotra ilay ramatoa ary nitondra azy teny amin’ny mpanao fanadihadiana. Sarotra hita io ramatoa io ary nofitahina homena ny vola ambin’ny vidin-tany vao nipoitra. Noraisim-potsiny ny tenany tetsy Ambohimangakely. Efa nahazoany tsy latsaky ny valo tapitrisa ariary ireo olona nosolokiany, raha araka ny iray amin’ny mpitory. Nisy ny fangatahany raharaham-pihavanana saingy tsy nisy nino intsony ny olona ary tsy nisy nanala fitoriana. Hanomboka anio ny raharaham-pitsaràna.
D.R