- Publicité -
mercredi, juillet 30, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Namono olona indray ny jiolahy mitondra « bois rond »

Ambohimangakely : Namono olona indray ny jiolahy mitondra « bois rond »

Vehivavy iray mpiasan’ny orinasa afaka haba, no niharan’ny herisetra tetsy Ambohimangakely ka hita faty ny marainan’ny asabotsy teo. Avy niasa izy io no heverina fa nifanehitra tamin’ny jiolahy mitazona “bois rond”, andian’olona izay nampihorohoro teto an-drenivohitra sy ny manodidina, fotoana fohy lasa izay. “Mbola hita teo akaikin’ny fatiny ilay hazo misy fantsika namonoana azy. Mbola nisy dian-drà rahateo izany” raha araka ny fitantaran’ny ramatoa iray monina eo an-toerana. Nalain’ny havany ny razana ny asabotsy teo ary natao ny fikarakarana rehetra mba hahafahana miandry azy. Niteraka horohoro ho an’ny mponin’Ambohimangakely izany, satria teo ihany koa dia nandeha ny feo fa mbola nisy vehivavy roa hafa nisy namono  tany amin’ny tanàna manodidina. Voatonona tao anatin’izany Ikianja. Rehefa nohamarinina teo anivon’ny zandarimaria isan’ambaratongany, dia samy nilaza izy ireo fa tsy naheno an’izany. Na ilay vehivavy voalaza etsy ambony aza dia nolazaina fa mbola tsy nahazoan’ny zandary teo an-toerana tatitra, efa ho roa andro taty aoriana. Mazava arak’izany ny fa kobokobonina ny vaovao mahakasika ity tsy fandriam-pahalemana izay marihina ihany fa nitarika fahafatesana ity. Asa oviana ihany vao hoazon’ny tompon’andraikitra fa mila vaovao ny olom-pirenena mba hahafahany mandray ny fanapahan-kevitra izay mety ho tandrifiny, isan’izany ny fiarovany tena. Raha adika tsotsotra, ny fanafinafenana toa izany dia mainka koa mitarika ny olona any amin’ny làlana tsy izy ary tokony ho tompon’andraikitra voalohany raha toa ka miitatra ny raharaha…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser