- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Nanao “triple”, nofaohin’ny fiara

Ambohimangakely : Nanao “triple”, nofaohin’ny fiara

Nentina teny amin’ny hopitaly avy hatrany ny naratra.

Andaniny, ny kodiaran-droa nanao taingin-telo ary nandeha mafimafy. Ankilany, ny fiara avy aty amin’ny làlana mifanena amin’izy ireo indray nivoaka ny làlana ary nanitsaka ny lavaka tamin’ny sisin-dàlana. Tsy nahafehy ny familiana intsony ny mpamily ary dia nivarina nankany amin’ny zoron-dàlana ilany nandehan’ilay kodiaran-droa. Vokatr’izany dia nifandona mafy ny roa tonta. Omaly tolakandro no niseho izany lozam-pifamovoivoizana izany tetsy Ambohitrombihavana. Naratra ny mpandeha moto ary nentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana teo Ambohimangakely. Tsy azo nakisaka ireo fiara sy moto fa mbola niandry ny mpanao fanadihadiana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici